Single
Charte de bonne conduite des partis politiques
Ny Zoma faha-21 ny volana jolay taona 2023 sahabo ho tamin'ny 11 ora maraina lasa teo no nanatontosa ny fanaovan-tsonia ilay "Charte de bonne conduite des partis politiques" tao amin'ny biraon'ny FES Ankadifotsy ny Antoko AREMA, ka Ramatoa Annick RATSIRAKA, Sekretera Nasionaly no nametraka ny soniany tamin'izany.
Maniry sy manantena isika fa mba hitondra fivoarana lehibe eo amin'ny fanaovana politika sy ny fifampitondrana ary fifanajana eo amin'ny samy mpisehatra sy mpanao politika eto Madagasikara izao zavatra izao.
Antenaina fa mba samy hanaja sy hitandro toy ny anakandriamaso ireo zava-drehetra nifanarahana sy nosoniavina ny tsirairay ka mba ho samy ho Tomponandraikitra amin'ny fiarovana sy ny fanaraha-maso izany daholo ny rehetra, ka mba ho mpitarika sy mpanao politika mendrika sy mifanaja isika malagasy izay mpisehatra amin'izany politika izany manomboka izao.
Misaotra manokana ny FES sy ny UE izay angady nananana sy vy nahitana ary ireo rehetra efa nanao sonia sy ny mbola hanatontosa izany ato ho ato.
Mankasitraka Tompoko.
AREMA * VAHOAKA * TANINDRAZANA
Technicien en Informatique spécialisé sur le Réseau et Système
LOT II J 18 MANGARIVOTRA,FARAVOHITRA, 101 ANTANANARIVO, MADAGASCAR
+261 34 24 130 69
courrier@parti-arema.com
Abonnez-vous à notre NEWSLETTER afin de recevoir régulièrement de nos nouvelles et pour ne rater aucune de nos réalisations.
© Copyright 2023